Tsy Ny Mpitsoa-ponenana sy ny Polisy Ihany No Tsy Mifankahazo Ao Balkana

Refugees arrive to transit camp in Opatovac, Croatia, Spetember 21, 2015. Photo by Beata Zawrzel, copyright Demotix.

Mpitsoa-ponenana tonga tao amin'ny toby fiampitàna ao Opatovac, Kroasia, 21 Septambra 2015. Sary avy amin'i Beata Zawrzel, copyright Demotix.

Tamin'ny Talata 22 Septambra, vaky ny fifandonana madinika teo amin'ireo mpitsoa-ponenana sy ny polisy tao amin'ny toby fiampitàna ao atsinanan'i Kroasia. Tsy mbola nanazava ny antony nahatonga ny disadasa ny manampahefana. Araka ny filazan'i Sven Milekić, mpitati-baovao ao amin'ny Balkan Insight, mpitsoa-ponenana 33 no nandositra ny toby avy hatrany taorian'ny herisetra ary tsy fantatra ny misy azy ireo ankehitriny. Notononin'i Milekić ihany koa ny fikambanana Kroasiana tsy miankina iray, Foiben'ny Famakafakana Fandriampahalemana nilaza fa nampiasa baomba mandatsa-dranomaso tamin'ireo mpitsoa-ponenana ny polisy, ary nandratra ankizy roa farafahakeliny izay voalaza fa nampidirina notsaboina vonjimaika tao amin'ny Vokovoko mena ao Kroasia

Mandritra izany fotoana izany, nanokatra adihevitra momba ny krizin'ny mpitsoa-ponenana misy ankehitriny amin'ny dingana maro ireo mpitondra ao amin'ny firenena Balkana maro, raha miharatsy kosa ny fifandraisana eo amin'i Serbia sy Kroasia.

Hungarian military seen patrolling the border beside the newly built fences to control the flow of refugees crossing into Hungary. Photo by Geovien So, copyright Demotix.

Miaramila Hongroà hita manao fisafoana ny sisintany eo akaikin'ny fefy vaovao natsangana hanaraha-maso ny firohotan'ny mpitsoa-ponenana miampita ao Hongria. Sary avy amin'i Geovien So, copyright Demotix.

Nalain-kanirina ny governemanta Hongroà vao maika nampivandravandra nanangana rindrina sy fefy vaovao maromaro manamorona ny sasany amin'ny sisintaniny hanakanana ny firohotan'ireo olona vao tonga ao aminy.

Fananganana rindrina ao amin'ny sisintany fiampitàna ao Beremend (Sary: Eugen Husak) pic.twitter.com/VrlL9qr3FT

— HRT Vijesti (@hrtvijesti) September 21, 2015

[LAHATSARY] Mametraka fefy vy eo akaikin'ny sisintany Gola vao maraimbe ny Hongroài

“Nahazo fampitandremana” avy amin'ny praiminisitra Kroaty Zoran Milanović  tamin'ny 23 Septambra ireo manampahefana Serba nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety fa “ny fihetsika manohitra an'i Kroasia dia midika fihetsika manohitra ny Vondrona Eoropeana.” Nanazava i Milanović :

Croatia is an EU member. Serbia cannot, even if it wants, impose measures against Croatia as it has an agreement with the EU. Whatever Serbia does, or thinks to do, would be against the EU and I'm sure Serbia will not do that.

Mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana i Kroasia. Tsy afaka mametraka fepetra amin'i Kroasia i Serbia na dia mikasa hanao izany aza satria manana fifanarahana amin'ny Vondrona Eoropeana. Na inona na inona ataon'i Serbia, na eritreretiny atao, mety hanohitra ny Vondrona Eoropeana ary mino aho fa tsy hanao izany i Serbia.

Toa nahatezitra ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Serba Ivica Dačić ny fanambaran'i Milanović, ka namaly i Ivica fa “tsy nandray lesona tamin'ny olana i Kroasia hatramin'izao,’ nilaza ihany koa izy fa mbola manohy mihantsy an'i Serbia ao amin'ny fanambarany i Milanović.”

Niantso ny hanapahan'i Kroasia hevitra hanakatona ny sisintaniny amin'i Serbia noho ny “fanitsakitsahana an-terisetra ny SAA izay nosoniavin'i Serbia tamin'ny Vondrona Eoropeana, sy fanapaha-kevitra samirery manontolo” ny praiminisitra Serba Aleksandar Vučić.

Manomboka mandresy lahatra ireo mpandalina sy mpikambana ao amin'ny fiarahamonina iraisam-pirenena fa manita-dresaka amin'ny krizy ateraky ny firohotan'ny mpitsoa-ponenana avy ao Afovoany Atsinanana ny Vondrona Eoropeana. Milaza ny tsikera fa tsy nampiditra ireo firenena tsy mpikambana ao amin'ny vondrona Eoropeana tafiditra amin'ny raharaha ao anatin'ny drafitra sy ny famahana olana hitantanana ny krizy ny vondrona Eoropeana, angamba manampy trotraka amin'ny olana ao amin'ny faritra Balkana efa mikorontana

Namoaka lahatsoratra tao amin'ny Balkan Insight, izay namaritany ny fitantanan'ny Vondrona Eoropeana ny krizy amin'ny fomba fijery Balkana ny mpandalina sady mpampianatra iray ao amin'ny Fampianarana Eoropeana Atsimo-atsinanana ao amin'ny Oniversiten'i Graz Florian Bieber:

The damage caused by governments in their response to refugees has been tremendous. Within weeks, borders across the region have been come more tightly controlled and closed than they have been for over a decade. […]

The response of Balkan countries along the transit route has reflected the conflicting signals coming from Germany and other core EU states, which have oscillated between welcome and rejection.

The divergent responses by these governments has put pressure on bilateral relations, in particular between Hungary and its two southern neighbors, but also between Serbia and Croatia and Slovenia.

Goavana ny fahavoazana nateraky ny fihetsiky ny governemanta amin'ny mpitsoa-ponenana. Tao anatin'ny herinandro maromaro, naraha-maso mafy sy nakatona tsy tahaka ny folo taona mahery ireo sisintany manerana ny faritra. […]

Nampiseho famantarana mifanipaka avy amin'i Alemaina sy ny firenena hafa ao amin'ny Vondrona Eoropeana izay nihevaheva eo amin'ny fandraisana na fandavana [mpitsoaponenana] ny firenena Balkana ao anatin'ny lalana fiampitàna.

Nametraka teritery teo amin'ny fifandraisan'ny firenena roa tonta, indrindra eo amin'i Hongria sy ireo mpiray vodi-rindrina aminy roa ao atsimo, sy teo amin'i Serbia sy Kroasia ary Slovenia ny fihetsika mifanipaka eo amin'ireo governemanta ireo.

Niantso ny hijerena ireo raharaha ireo tao anaty lahatsoratra navoaka roa andro alohan'ireo fanehoan-kevitra mifanipaka avy amin'ireo manampahefana Serba sy Kroaty i Fredrik Wesslau, manam-pahaizana hafa momba ny politika ivelany Eoropeana sady talen'ny Fandaharana Eoropa Midadasika kokoa ao amin'ny Filan-kevitry ny Raharaham-bahiny Eoropeana. Nanoratra i Wesslau:

Between 2,500 and 3,000 refugees are estimated to be entering Macedonia and Serbia every day. As the total number of refugees in the Balkans increases, more countries are fortifying their borders. There is a domino effect at play of borders being closed and fences being erected. This is causing further tensions among the states in the region and leading to nasty quarrels among EU member states.

Mpitsoa-ponenana eo amin'ny 2500 sy 3000 no tombanana fa miditra ao Makedonia sy Serbia isan'andro. Satria mitombo ny isan'ny mpitsoa-ponenana ao amin'ny Balkana, dia firenena maro no manamafy ny sisintanin'izy ireo. Misy fiantraikany any aoriana ny fanakatonana sisintany sy ny fananganana fefy. Miteraka disadisa bebe kokoa eo amin'ireo firenena ao amin'ny faritra sy mitarika fifamaliana ratsy eo amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eoropeana izany.

Namorona voambolana mahalaza tsara ny zavatra iainan'ny mpitsoa-ponenana mandalo ao amin'ny “lalana Balkana” i Jorgen Samso, mpanao gazety mahaleo tena efa tany Balkana talohan'ny fipoahan'ny krizin'ny mpitsoa-ponenana misy ankehitriny : ny «Fiovana Sisintany Balkana.” Ity fitiavana dihy vaovao ity, raha izany no mahalaza azy dia, miala sisintany iray mankany amin'ny sisintany iray hafa, tsy misy lalana miverina. Nofaritan'i Samso tao amin'ny Politico ny fisafotofotoana fanampiny efa atrehin'ireo mpitsoa-ponenana efa miavo-tena amin'izao fotoana izao:

The confusion has trickled down to the refugees making their way north to destinations like Germany. Even with smartphones with access to news, social media groups and online maps the refugees were unable to keep up.

Nisy fiantraikany amin'ireo mpitsoa-ponenana mankany avaratra tahaka ny ao Alemaina ity fisafotofotoana ity. Na dia eo aza ny finday avo lenta ahazoana vaovao, ny vondrona media sosialy sy ny sarintany antserasera, dia mbola tsy maharaka ihany ireo mpitsoa-ponenana.

Miha-miharihary isan'andro ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo mpitondra ao amin'ny Vondrona Eoropeana. Araka ny fanamarihan'i Wesslau Fredrik, miharatsy tokoa alohan'ny hihatsarany ny toe-javatra, mitady vahaolana avy amin'ny Vondrona Eoropeana avokoa ireo firenena mpikambana na tsia ao amin'ny Vondrona Eoropeana iharan'ny firohotan'ny mpitsoa-ponenana ao Eoropa . Amin'izany, toa hita fa mahomby kokoa amin'ny famelomana indray ny disadisa taloha ny fanapahan-kevitra vao haingana eo amin'ireo mpitondra vondrona Eoropeana fa tsy namaha ny krizy misy ankehitriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.